Bokin'ny Eksodosy 35:22
Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 35
Cross References
Numbers 31:50koa nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ ny ainay eo anatrehan’ i Jehovah.
2 Chronicles 24:9Ary nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’ i Jehovah ny hetra izay nasain’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, haloan’ ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
Nehemiah 7:70Ary ny sasany tamin’ ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin’ ny rakitra.
Isaiah 60:9Fa Izaho no andrasan’ ny nosy, ary ny sambon’ i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
Ezekiel 16:11Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
Mark 12:41Ary raha nipetraka tandrifin’ ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao.