Bokin'ny Eksodosy 35:34
Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon’ Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka avy amin’ ny firenen’ i Dana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 35
Cross References
Exodus 31:6Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
Ezra 7:10Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’ i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
Nehemiah 2:12Ary nifoha tamin’ ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’ Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
1 Corinthians 1:5dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
James 1:16Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.