Bokin'ny Eksodosy 36:2
Ary Mosesy dia nampaka an’ i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian’ i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony hankeo amin’ ny asa hanao azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 36
Cross References
Exodus 25:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ ny olona rehetra izay amporisihin’ ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
Exodus 28:3Ary mitenena amin’ izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’ i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
Exodus 35:2Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
Exodus 35:21Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masìna.
1 Chronicles 29:5ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon’ ny tanan’ ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah anio?
Acts 14:23Ary rehefa nanendry loholona teo amin’ ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an’ ny Tompo Izay efa ninoany.