Bokin'ny Eksodosy 36:8
Ary ny hendry rehetra teo amin’ izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 36
Cross References
Exodus 25:18Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin’ ny sakany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana
Exodus 26:1Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Exodus 35:10Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah:
1 Kings 6:23Ary tao anatin’ ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa, samy folo hakiho avy no hahavony.
2 Chronicles 3:10Ary tao amin’ ny efi-trano masìna indrindra dia nasiany sarin’ ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
Ezekiel 10:1Ary hitako fa, indro, teo ambonin’ ny eloelo izay teo ambonin’ ny lohan’ ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny.