Exodus 39:28
Ary ny hamama dia nataony rongony fotsy madinika, ary ny satroka tsara tarehy nataony rongony fotsy madinika; ary ny kalisaona fohy dia nataony rongony fotsy madinika voahasina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ary ny akanjo lava nataony rongony fotsy madinika, asan’ ny mpanenona, ho an’ i Arona sy ny zanany.
Cross References
Exodus 28:4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Exodus 28:39Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Ezekiel 44:18Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.