Bokin'ny Eksodosy 4:5
mba hinoan’ ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 4
Cross References
Genesis 17:1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Genesis 26:2Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midìna any Egypta ianao; mitoera eo amin’ ny tany izay holazaiko aminao.
Exodus 3:6Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy.
Exodus 3:16Mandehana, dia angòny ny loholon’ ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
Exodus 4:1Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
Exodus 19:9Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ ny rahona maizina, mba ho ren’ ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’ i Mosesy tamin’ i Jehovah ny tenin’ ny olona.