Bokin'ny Eksodosy 40:3
Ary ataovy ao ny fiaran’ ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And thou shalt put therein the ark of the testimony, and cover the ark with the vail.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 40
Cross References
Exodus 25:22Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Exodus 26:33Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ ny farango; ary ampidiro ao anatin’ ny efitra lamba ny fiaran’ ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masìna sy ny fitoerana masìna indrindra ho anareo.
Exodus 35:4Ary Mosesy niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
Exodus 36:35Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
Exodus 39:32Ary vita ny asa rehetra tamin’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’ Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Leviticus 16:14Dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka hafafin’ ny fanondrony amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin’ ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony.