Bokin'ny Eksodosy 40:34
Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then a cloud covered the tent of the congregation, and the glory of the LORD filled the tabernacle.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 40
Cross References
Exodus 14:19Ary Ilay Anjelin’ Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ ny tobin’ ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
Exodus 16:10Ary raha Arona mbola niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia nijery nanatrika ny efitra izy ireo, ka, indro, ny voninahitr’ i Jehovah niseho teo amin’ ny rahona.
Exodus 25:21Ary apetraho eo ambonin’ ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin’ ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
Exodus 33:9Ary raha niditra tao amin’ ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’ i Mosesy.
Numbers 9:15Ary tamin’ ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain’ ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain’ ny andro.
1 Kings 8:11ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tranon’ i Jehovah.