Bokin'ny Eksodosy 40:36
Ary raha niakatra niala tamin’ ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nandehanany rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin’ izay andro hiakarany.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 40
Cross References
Exodus 13:21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
Numbers 9:22Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’ Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
Numbers 10:33Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.
Nehemiah 9:19kanefa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
Psalms 105:39Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
2 Corinthians 5:19dia izao: Andriamanitra ao amin’ i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.