Bokin'ny Eksodosy 40:5
Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 40
Cross References
Exodus 26:36Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ ny lay, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
Exodus 30:6Ary apetraho eo anoloan’ ny efitra izay manakona ny fiaran’ ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
Exodus 37:25Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
John 14:6Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.
Hebrews 10:19Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna isika noho ny ran’ i Jesosy,