Bokin'ny Eksodosy 5:3
Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin’ ny areti-mandringana, na amin’ ny sabatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 5
Cross References
Exodus 3:18Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin’ ny mpanjakan’ i Egypta ianao sy ny loholon’ ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray.
Deuteronomy 28:21Hampiraiketin’ i Jehovah aminao ny areti-mandringana, mandra-pandaniny anao tsy ho eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
2 Chronicles 30:8Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masìna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
Ezekiel 6:11Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Mameleza amin’ ny tananao ianao, ary mitotoa amin’ ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon’ ny taranak’ Isiraely, izay ho lavon’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!