Bokin'ny Eksodosy 6:1
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
Read all of Bokin'ny Eksodosy 6
Cross References
Exodus 3:20Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an’ i Egypta amin’ ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
Exodus 12:31Dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’ Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo.
Exodus 12:39Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
Exodus 13:9Dia ho famantarana ho anao eo amin’ ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’ i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
Exodus 13:16Ary ho famantarana eo amin’ ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
Numbers 11:23Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Nihafohy va ny tànan’ i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.