Bokin'ny Eksodosy 6:12
Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 6
Cross References
Exodus 3:13Ary hoy Mosesy tamin’ Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ ny Zanak’ Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
Exodus 4:10Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’ izao itenenanao amin’ ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
Exodus 5:19Ary hitan’ ny mpifehy ny Zanak’ Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan’ ny birikinareo amin’ ny anjara-fanompoana isan’ andro.
Exodus 6:30Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan’ i Farao ahy!
Deuteronomy 30:6Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
Jeremiah 1:6Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.