Bokin'ny Eksodosy 6:23
Ary Arona naka an’ i Eliseba, zanakavavin’ i Aminadaba sady anabavin’ i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ary ny zanakalahin’ i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.
24Ary ny zanakalahin’ i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen’ ny Korana.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 6
Cross References
Exodus 24:1Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
Exodus 28:1Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.
Leviticus 10:6Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr’ i Jehovah.
Numbers 2:3Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
Numbers 20:25Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;
Numbers 26:60Ary ny naterak’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.