Bokin'ny Eksodosy 6:29
dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Ary tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo amin’ ny tany Egypta,
Read all of Bokin'ny Eksodosy 6
Cross References
Exodus 6:6Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
Exodus 6:11Mankanesa ao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak’ Isiraely hiala amin’ ny taniny.
Jeremiah 1:7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
Jeremiah 23:28Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ ny vary? hoy Jehovah.
Ezekiel 2:6Ary ianao, ry zanak’ olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
Ezekiel 3:11Dia mandehana mankany amin’ ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.