Bokin'ny Eksodosy 6:4
Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 6
Cross References
Genesis 6:18Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ ny vinantonao vavy miaraka aminao.
Genesis 15:13Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
Genesis 17:4Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ ny firenena maro ianao.
Genesis 17:8Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
Genesis 23:4Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
Genesis 28:4ary homeny anao anie ny fitahiana an’ i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen’ Andriamanitra an’ i Abrahama.