The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Eksodosy › Bokin'ny Eksodosy 6 › Bokin'ny Eksodosy 6:5

Bokin'ny Eksodosy 6:5

Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely, izay ampanompoin’ ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And I have also heard the groaning of the children of Israel, whom the Egyptians keep in bondage; and I have remembered my covenant.

In Context

4Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.

6Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.

Read all of Bokin'ny Eksodosy 6

Cross References

Genesis 8:1Ary Andriamanitra nahatsiaro an’ i Noa mbamin’ ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran’ ny tany, ka dia nihena ny rano.

Exodus 2:24Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.

Psalms 105:8Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,

Isaiah 63:9Tamin’ ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ ny andro taloha ela rehetra.

Luke 1:72Manefa famindram-po amin’ ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masìna,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Eksodosy 6:5

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Eksodosy 6:4Bokin'ny Eksodosy 6Bokin'ny Eksodosy 6:6 →