Bokin'ny Eksodosy 7:10
Ary Mosesy sy Arona nankao amin’ i Farao ka nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah; dia natsipin’ i Arona teo anatrehan’ i Farao sy teo anatrehan’ ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 7
Cross References
Exodus 4:3Ary hoy Izy: Atsipazo amin’ ny tany iny. Dia natsipiny tamin’ ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
Exodus 7:20Ary nataon’ i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason’ i Farao sy teo imason’ ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily;
Amos 9:3Ary na dia miery any an-tampon’ i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin’ ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan’ ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
Luke 10:19Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.