Bokin'ny Eksodosy 7:19
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin’ ny ranon’ i Egypta ny tananao, dia ambonin’ ny sampan-dranony sy ambonin’ ny lahin-dranony, sy ambonin’ ny heniheniny, ary ambonin’ ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran’ ny tany Egypta rehetra, na amin’ ny fitoeran-drano hazo na amin’ ny fitoeran-drano vato.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 7
Cross References
Exodus 4:9Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin’ ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin’ ny tany maina.
Exodus 8:16Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan’ i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin’ ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
Exodus 9:33Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nankeo ivelan’ ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin’ i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ ny tany intsony.
Exodus 10:21Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin’ ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
Exodus 14:26Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin’ ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan’ ny rano amin’ ny Egyptiana mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny.