Bokin'ny Eksodosy 7:20
Ary nataon’ i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian’ i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason’ i Farao sy teo imason’ ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 7
Cross References
Exodus 4:9Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin’ ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin’ ny tany maina.
Exodus 7:10Ary Mosesy sy Arona nankao amin’ i Farao ka nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah; dia natsipin’ i Arona teo anatrehan’ i Farao sy teo anatrehan’ ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny.
Exodus 17:5Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon’ ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’ i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
Numbers 20:8Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ ny olona avy amin’ ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Psalms 105:29Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
Revelation 8:8Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon’ ny ranomasina;