Bokin'ny Eksodosy 8:1
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin’ ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 8
Cross References
Exodus 3:18Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin’ ny mpanjakan’ i Egypta ianao sy ny loholon’ ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray.
Exodus 5:1Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
Joshua 8:18Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Atondroy an’ i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron’ i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.
Jeremiah 1:17Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Ezekiel 2:6Ary ianao, ry zanak’ olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.