Bokin'ny Eksodosy 8:15
Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 8
Cross References
Exodus 7:4Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an’ i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon’ ny Zanak’ Isiraely oloko hiala amin’ ny tany Egypta.
Exodus 8:28Kanjo Farao nanamafy ny fony indray tamin’ izany ka tsy nandefa ny olona.
1 Samuel 6:3Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan’ ny tànany aminareo.
1 Samuel 6:12Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin’ ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin’ ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, ary ireo andrianan’ ny Filistina nanaraka azy hatramin’ ny fari-tanin’ i Beti-semesy.
Ecclesiastes 8:11Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovan-dratsy.
Jeremiah 34:7fony ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona mbola namely an’ i Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sisa rehetra, dia Lakisy sy Azeka: fa ireo ihany no tanàna mimanda sisa tamin’ ny tanànan’ ny Joda.