Bokin'ny Eksodosy 8:19
Dia hasiako fiavahana amin’ ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian’ izany famantarana izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 8
Cross References
Genesis 41:24ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin’ ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.
Exodus 9:4Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin’ ny Isiraely amin’ ny bibin’ ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray aza.
Exodus 10:7Ary hoy ny mpanompon’ i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
Exodus 11:7Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny olona, na amin’ ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’ i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
1 Samuel 6:9Ary izahao, ka raha miakatra amin’ ny lalana mankany amin’ ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin’ izay hanjo antsika.
Daniel 2:10Ny Kaldeana namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin’ ny tany mahay milaza izany nofin’ ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin’ ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.