Bokin'ny Eksodosy 8:4
Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin’ i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin’ ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the frogs shall come up both on thee, and upon thy people, and upon all thy servants.
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 8
Cross References
Exodus 8:24Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.
Exodus 10:17Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
1 Kings 13:6Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
Isaiah 19:11Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’ izay hendry indrindra amin’ ny mpanolotsain’ i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’ i Farao hoe: Zanak’ olon-kendry aho sady taranak’ ireo mpanjaka fahagola?
Isaiah 23:9Jehovah, Tompon’ ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan’ ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ ny tany.
Acts 12:22Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’ Andriamanitra izany, fa tsy an’ olona!