Bokin'ny Eksodosy 9:24
Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan’ ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin’ ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 9
Cross References
Exodus 10:6dia hameno ny tranonao sy ny tranon’ ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan’ ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr’ izay andro niainany tetỳ ambonin’ ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’ i Farao.
Psalms 18:13Ary teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
Isaiah 30:30Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
Matthew 24:21Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’ izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.