Bokin'ny Eksodosy 9:6
Ary nony ampitso dia nataon’ i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin’ ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 9
Cross References
Exodus 9:25Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran’ ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
Exodus 12:12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
Psalms 78:50Namboatra lalana ho an’ ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin’ ireo tamin’ ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin’ ny areti-mandringana;