Bokin'i Ezekiela 12:16
Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 12
Cross References
Leviticus 26:40Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ ny nanoherany Ahy,
1 Kings 9:6Fa raha miala amin’ ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
Isaiah 1:9Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Isaiah 10:19Ary ho vitsy ny hazo sisa any an’ alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.
Isaiah 24:13Fa ao amin’ ny tany, ao amin’ ny olona, dia hisy toy ny amin’ ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
Jeremiah 4:27Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.