Bokin'i Ezekiela 12:3
Koa ianao, ry zanak’ olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin’ ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin’ izay itoeranao ho any amin’ ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 12
Cross References
Deuteronomy 32:29Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
Jeremiah 7:26Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
Jeremiah 13:1Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
Jeremiah 19:1Izao no lazain’ i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin’ ny vahoaka sy anti-panahy amin’ ny mpisorona,
Jeremiah 26:3Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin’ ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian’ ny ataony.
Jeremiah 36:3Angamba hoheverin’ ny taranak’ i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.