Bokin'i Ezekiela 13:11
koa lazao amin’ izay mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 13
Cross References
Job 27:21Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ ny fitoerany;
Psalms 11:6Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
Psalms 32:6Izany no aoka hivavahan’ ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin’ izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
Isaiah 28:2Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin’ ny tany.
Isaiah 28:18Hofoanana ny fanekenareo amin’ ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.
Isaiah 32:19Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.