Bokin'i Ezekiela 13:16
dia ny mpaminanin’ ny Isiraely izay maminany ny amin’ i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 13
Cross References
Isaiah 57:20Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
Jeremiah 6:14Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
Jeremiah 28:1Ary tamin’ izany taona izany ihany, dia tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahefatra, no nitenenan’ i Hanania, zanak’ i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’ i Jehovah, teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
Jeremiah 29:31Maniraha ho any amin’ ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian’ i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin’ ny lainga