Bokin'i Ezekiela 13:17
Koa ianao, ry zanak’ olona, handrino mafy ny zanakavavin’ ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 13
Cross References
Judges 4:4Ary Debora mpaminanivavy, vadin’ i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin’ izany andro izany.
Isaiah 3:16Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin’ i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
Ezekiel 4:3Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ ny taranak’ Isiraely izany.
Luke 2:36Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’ i Fanoela, avy tamin’ ny firenen’ i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ ny vadiny fito taona taorian’ ny naha-virijina azy,
Revelation 2:20Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ ny sampy.