Bokin'i Ezekiela 13:22
Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon’ ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan’ ny ratsy fanahy, tsy hialany amin’ ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 13
Cross References
Genesis 3:4Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
Jeremiah 6:14Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
Jeremiah 14:13Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan’ ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ ity tany ity ianareo.
Jeremiah 23:14Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.
Jeremiah 27:14Koa aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin’ ireo aminareo.
Jeremiah 29:32dia izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hamaly an’ i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin’ ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin’ ny hahitana ny soa izay hataoko amin’ ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notoriny.