Bokin'i Ezekiela 13:8
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 13
Cross References
Jeremiah 50:31Indro, hiatrika aminao Aho, ry Ifiavonavonana, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
Ezekiel 5:8dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason’ ny firenena.
Ezekiel 26:3Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.
Ezekiel 29:3Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’ i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an’ ny tenako.
Ezekiel 35:3dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.
Ezekiel 39:1Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania ny hamelezana an’ i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’ i Rosy sy Meseka ary Tobala.