Bokin'i Ezekiela 13:9
Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ ny mpanolo-tsainan’ ny oloko na ho voasoratra amin’ ny bokin’ ny taranak’ Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 13
Cross References
Exodus 32:32Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
Ezra 2:59Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ ny Isiraely, na tsia):
Nehemiah 7:62ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
Psalms 69:5Maro noho ny volon-dohako ny isan’ izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
Psalms 87:6Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. [Sela.]
Psalms 101:7Tsy mba hitoetra ao anatin’ ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan’ ny masoko izay milaza lainga.