Bokin'i Ezekiela 16:13
ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik’ andriana
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
Read all of Bokin'i Ezekiela 16
Cross References
Genesis 17:6Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
Deuteronomy 32:13Nampandeha azy teny ambonin’ ny havoana amin’ ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin’ ny vatolampy afovato
1 Samuel 12:12Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan’ ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
Ezra 5:11ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’ Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’ ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
Psalms 45:13Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao.