Bokin'i Ezekiela 16:36
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ ny nijangajanganao tamin’ ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ ny zanakao izay naterinao ho an’ ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry kala janga:
Read all of Bokin'i Ezekiela 16
Cross References
Genesis 3:10Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
Jeremiah 2:34Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin’ ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin’ izany rehetra izany.
Jeremiah 19:5ary nanorina ny fitoerana avo ho an’ i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an’ i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
Ezekiel 16:15kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin’ ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany
Ezekiel 22:15Ary haeliko ho any amin’ ny jentilisa sy hahahako ho any amin’ ny tany samy hafa ianao, ary holevoniko ho afaka aminao mihitsy ny fahalotoanao.
Ezekiel 23:10Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan’ ireny, ary ny tenany novonoiny tamin’ ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin’ ny vehivavy izy ary efa niharan’ ny fitsarana.