Bokin'i Ezekiela 16:46
Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin’ ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 16
Cross References
Genesis 14:8Dia nivoaka ny mpanjakan’ i Sodoma sy ny mpanjakan’ i Gomora sy ny mpanjakan’ i Adma sy ny mpanjakan’ i Zeboïma ary ny mpanjakan’ i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ ireo teo an-dohasahan’ i Sidima,
Genesis 19:24Ary Jehovah nandatsaka tamin’ i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’ i Jehovah tany an-danitra,
Deuteronomy 29:23dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin’ ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’ izao fahatezerana lehibe izao?
Isaiah 1:9Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Jeremiah 3:8Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
Lamentations 4:6Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’ i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,