Bokin'i Ezekiela 18:2
Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 18
Cross References
Isaiah 3:15Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ ny malahelo? Hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Jeremiah 31:29Amin’ izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo.
Ezekiel 6:2Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
Ezekiel 17:12Lazao amin’ ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’ i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
Ezekiel 36:1Ary ianao, ry zanak’ olona, maminania amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin’ i Jehovah:
Ezekiel 37:19dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’ i Josefa, izay eny an-tanan’ i Efraima, sy ny firenen’ ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin’ ny tapa-kazon’ i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.