Bokin'i Ezekiela 18:21
Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 18
Cross References
Genesis 26:5satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
Psalms 119:1Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah.
Psalms 119:112Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ ny farany.
Isaiah 1:16Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
Jeremiah 18:8Nefa raha miala amin’ ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.
Ezekiel 3:21Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.