Bokin'i Ezekiela 20:13
Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak’ Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 20
Cross References
Exodus 32:8Nalaky nivily niala tamin’ ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely an-idina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Leviticus 26:15ary hamavoinareo ny didiko, na halan’ ny fanahinareo ny fitsipiko, ka tsy ankatoavinareo ny didiko rehetra, fa ivadihanareo ny fanekeko,
Numbers 14:11Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
Numbers 14:22ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,
Numbers 15:31Fa ny tenin’ i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.