Bokin'i Ezekiela 20:18
Fa hoy Izaho tamin’ ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ ny sampiny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 20
Cross References
Numbers 32:13Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
Psalms 78:6Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ― dia ny zaza mbola hateraka ― ka hitsangana hitory izany amin’ ny zanany kosa,
Jeremiah 3:9Ary tamin’ ny fihorakorahan’ ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin’ ny vato sy ny hazo izy.
Jeremiah 32:23Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin’ izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
Ezekiel 20:7dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin’ ny sampin’ i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Luke 11:47Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan’ ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.