The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 20 › Bokin'i Ezekiela 20:39

Bokin'i Ezekiela 20:39

Ary ny aminareo, ry taranak’ Isiraely, izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masìna intsony amin’ ny fanatitrareo sy amin’ ny sampinareo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

As for you, O house of Israel, thus saith the Lord GOD; Go ye, serve ye every one his idols, and hereafter also, if ye will not hearken unto me: but pollute ye my holy name no more with your gifts, and with your idols.

In Context

38Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin’ ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

40Fa ao an-tendrombohitro masìna, dia ao an-tendrombohitra avon’ ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan’ ny taranak’ Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin’ ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin’ ny zava-masinareo rehetra,

Read all of Bokin'i Ezekiela 20

Cross References

Joshua 24:15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.

2 Kings 3:13Ary hoy Elisa tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.

Proverbs 21:27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.

Isaiah 66:3Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’ alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ ireny ny halehany, Sy ny nifalian’ ny fanahiny tamin’ ny fahavetavetany,

Jeremiah 44:25Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin’ ny vavanareo sady nanatanteraka tamin’ ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.

Ezekiel 23:37fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an’ ireny mba ho levona.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 20:39

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 20:38Bokin'i Ezekiela 20Bokin'i Ezekiela 20:40 →