Bokin'i Ezekiela 21:20
Nahebihebiko teny amin’ ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 21
Cross References
2 Samuel 5:9Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
2 Chronicles 26:9Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ ny vavahady an-jorony sy teo amin’ ny vavahady mankao amin’ ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
2 Chronicles 33:14Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan’ ny Tanànan’ i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an’ i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin’ ny miaramila ho any amin’ ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
Psalms 125:1Fihirana fiakarana. Izay matoky an’ i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
Jeremiah 49:2Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran’ ady amin’ ny famelezana an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin’ ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an’ izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
Ezekiel 25:5Ary Raba dia hataoko tany fitoeran’ ny rameva, ary ny taranak’ i Amona ho tany fandrian’ ny ondry aman’ osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.