Bokin'i Ezekiela 21:7
Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masìna, ka maminania ny amin’ ny hamelezana ny tanin’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 21
Cross References
Exodus 15:15Toran-kovitra ny loham-pirenen’ i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin’ i Moaba; reraka ny fon’ izay rehetra monina any Kanana.
Deuteronomy 20:8Ary mbola hiteny amin’ ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ ny rahalahiny.
Joshua 5:1Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita any an-dafy andrefan’ i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ ny Kananita any amoron’ ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’ i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 21:12dia izao kosa no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
Isaiah 7:2Dia nambara tamin’ ny taranak’ i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon’ ny vahoakany toy ny firondronan’ ny hazo any an’ ala, raha asian’ ny rivotra.
Isaiah 28:19Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.