Bokin'i Ezekiela 22:13
Koa, indro, manjera tanana Aho noho ny harena azonao tamin’ ny tsy marina sy ny latsa-drà tao aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 22
Cross References
Numbers 24:10Dia nirehitra tamin’ i Balama ny fahatezeran’ i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’ i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
Isaiah 33:15Izay mandeha amin’ ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin’ ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
Jeremiah 7:9Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
Ezekiel 21:17Mitomania sy midradradradrà, ry zanak’ olona! Fa mihatra amin’ ny oloko izany, dia amin’ ny lehibe rehetra amin’ ny Isiraely; Lavon’ ny sabatra miaraka amin’ ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;
Ezekiel 22:27Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ ny tsy marina.
Amos 3:10Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.