Bokin'i Ezekiela 22:3
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-drà ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 22
Cross References
2 Kings 21:9Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ ny jentilisa, izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 24:4sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’ i Jehovah hamela ny helony.
Isaiah 1:21Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran’ ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
Ezekiel 7:2Ary ianao, ry zanak’ olona, dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ ny tanin’ ny Isiraely: Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany ho amin’ ny vazan-tany efatra.
Ezekiel 22:4Ny rà izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao ianao ka efa tonga amin’ ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandatsan’ ny jentilisa sy ho fanakoran’ ny tany rehetra,
Ezekiel 22:27Toy ny amboadia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin’ ny tsy marina.