Bokin'i Ezekiela 23:39
Ary nony efa novonoiny ho an’ ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin’ iny andro iny ihany ny fitoerako masìna ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin’ ny tranoko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
2 Kings 21:4sady nanao alitara tao an-tranon’ i Jehovah koa izy, dia tao amin’ izay nolazain’ i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
2 Chronicles 33:4sady nanorina alitara tao an-tranon’ i Jehovah, dia tao amin’ ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ ny anarako mandrakizay.
Jeremiah 7:8He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
Jeremiah 23:11Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.
Ezekiel 23:38Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masìna izy tamin’ izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.
Micah 3:11Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.