Bokin'i Ezekiela 27:21
Arabia sy ireo andriandahin’ i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak’ ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
Read all of Bokin'i Ezekiela 27
Cross References
1 Kings 10:15afa-tsy izay azony tamin’ ny mpandranto sy ny tamin’ ny varotry ny mpivarotra ary tamin’ ny mpanjakan’ ny firenena samy hafa rehetra sy tamin’ ny mpanapaka ny tany.
2 Chronicles 17:11Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’ i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman’ osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
Song of Solomon 1:5Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’ i Jerosalema, toy ny lain’ i Kedara, toy ny ambain-dain’ i Solomona.
Isaiah 42:11Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan’ i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra izy.
Jeremiah 2:10Fa mità ho any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
Acts 2:11Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra?