Bokin'i Ezekiela 29:2
Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin’ i Egypta rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 29
Cross References
Isaiah 20:1Tamin’ ny taona nankanesan’ i Tartana tany Asdoda, raha nirahin’ i Sargona, mpanjakan’ i Asyria, izy ka namely an’ i Asdoda ary nahafaka azy,
Jeremiah 25:17Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan’ i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan’ i Jehovah ahy,
Jeremiah 25:19ary Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoakany rehetra,
Jeremiah 44:30Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan’ i Egypta, hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.
Ezekiel 6:2Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
Ezekiel 21:2Ry zanak’ olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin’ ny hamelezana ny ala amin’ ny tany atsimo.