Bokin'i Ezekiela 33:21
Ary nony tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo taorian’ ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 33
Cross References
2 Kings 25:4Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin’ ny lalana nankamin’ ny vavahady tanelanelan’ ny manda roa, izay eo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin’ ny lalana mankeny amin’ ny tani-hay.
2 Chronicles 36:17Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Jeremiah 39:2ary nony tamin’ ny andro fahasivy tamin’ ny volana fahefatra tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
Ezekiel 1:2Tamin’ ny andro fahadimy tamin’ ny volana (taona fahadimy taorian’ ny namaboana an’ i Joiakina mpanjaka izany)
Ezekiel 32:1Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: